AHOANA NO HIATREHANA NY FIAKARAN’NY VIDIM-PIAINANA?
Mahaiza Mianina
Afa-po amin’izay zavatra ananany ny olona mahay mianina. Ovaovany mifanaraka amin’ny zava-misy ny fomba fiainany, dia tsy mandany vola mihoatra an’izay ananany izy.
NAHOANA IZANY NO ILAINA?
Nilaza i Jessica Koehler psikology hoe tsy mora kivikivy ny olona mahay mianina. Hitany koa hoe tsy mora mitsiriritra ny olona hoatr’izany. Tsy mahagaga àry raha hoe matetika ny olona mahay mianina no falifaly sy tsy dia miady saina. Raha ny marina, dia tsy manan-javatra firy ny olona tena mahatsapa hoe sambatra. Ny olona mifantoka amin’ny zava-dehibe indrindra no tena sambatra hoatr’izany. Mahafaly azy, ohatra, ny miaraka amin’ny namany sy ny fianakaviany, ary tsy voavidim-bola izany.
INONA NO AZONAO ATAO?
Aza mampitaha. Mety hoe manan-karena be ny fahitanao ny olona sasany, nefa ny fiainanao tsotsotra. Raha ampitahainao amin’ny an-dry zareo ny fiainanao, dia mety tsy hahay hianina intsony ianao ary mety hitsiriritra mihitsy aza. Ilay olona koa mety hoe manan-javatra be dia be fotsiny, nefa bokan-trosa. Hoy i Nicole, avy any Sénégal: “Sambatra foana aho, na tsy manana zavatra be dia be aza. Raha mahay mianina aho, dia sambatra foana na manan-javatra kokoa noho izaho aza ny olon-kafa.”
Andramo izao: Manasongadina harenan’olona na ny fomba fiainany mandany vola be ny dokam-barotra sy ny zavatra havoakan’ny olona ao amin’ny Internet. Aza mijery an’ireny.
Mahaiza mankasitraka. Mora mianina ny olona mahay mankasitraka, ary matetika izy no tsy dia mieritreritra hoe mila zavatra fanampiny na tokony homena zavatra fanampiny. Hoy i Roberton, avy any Haïti: “Manokana fotoana aho mba hieritreretana hoe inona ny soa nataon’olona ho ahy sy ny fianakaviako. Dia avy eo hisaorako ry zareo, dia teneniko hoe tena tiako ny zavatra nataony. Ampianariko hahay hisaotra foana koa ilay zanako lahy valo taona.”
Andramo izao: Soraty isan’andro hoe inona avy ny zavatra ankasitrahanao, ohatra hoe ilay ianao salama tsara, na ianao manana havana na namana akaikin’ny fonao, ary na dia ny masoandro mody tsara tarehy hitanao fotsiny aza.
Indraindray sarotra amintsika rehetra ilay hoe mahay mianina amin’izay ananantsika. Handray soa anefa isika raha miezaka ny hahay hianina foana. Ho sambatra mantsy isika, ary tsy voavidim-bola koa izany.