FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g25 No. 1 p. 14-15
  • Manàna Fanantenana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Manàna Fanantenana
  • Mifohaza!—2025
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • NAHOANA IZANY NO ILAINA?
  • INONA NO AZONAO ATAO
  • INONA NY FANJAKAN’ANDRIAMANITRA ARY INONA NO HATAONY?
  • Inona no Hanampy Ahy Hanana Fanantenana?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Manome Fanantenana ny Baiboly
    Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
  • Manome Fanantenana ny Baiboly
    Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fanombohana Fianarana Baiboly
  • Mbola Hihatsara ve ny Fiainana Amin’ny Hoavy?
    Foto-kevitra Hafa
Hijery Hafa
Mifohaza!—2025
g25 No. 1 p. 14-15
Fianakaviana manao “pique-nique” sady mijery toerana mahafinaritra.

AHOANA NO HIATREHANA NY FIAKARAN’NY VIDIM-PIAINANA?

Manàna Fanantenana

Tsy maharaka ve ny volanao satria miakatra be ny vidim-piainana any aminareo? Manahy ve ianao hoe ahoana no hamelomanao ny tenanao sy ny vady aman-janakao? Mety hatahotra àry ianao hoe hanao ahoana ny fiainanareo. Na dia mafy aza anefa ny fiainana, dia tena ilaina ny hoe manana fanantenana.

NAHOANA IZANY NO ILAINA?

Ny olona manana fanantenana tsy hoe miandry fotsiny hoe hisy zavatra tsara hitranga. Noho izy be fanantenana, dia manao izay azony atao izy mba hampety ny fiainany, arakaraka izay ananany. Asehon’ny fikarohana, ohatra, hoe ireto no itovizan’ny olona be fanantenana:

  • Mahavita miaritra kokoa

  • Mahay miaina mifanaraka amin’ny zava-misy

  • Mahay manapa-kevitra, dia izany no mahatonga azy ho salama sy hanana fiainana milamina kokoa

INONA NO AZONAO ATAO

Voalohany, jereo hoe ahoana no fomba anampian’ny Baiboly antsika amin’izao. Misy soso-kevitra be dia be azo ampiharina ao, amin’izao vidim-piainana miakatra izao. Hanampy anao hieritreritra ireny hoe misy zavatra azonao atao dieny izao sy amin’ny hoavy na dia mafy aza ny fiainana, fa tsy hoe tsy afa-manoatra ianao.

“Hiambina anao ny fahaiza-misaina, ary hiaro anao ny fahaiza-mandinika.”​—Ohabolana 2:11.


Faharoa, diniho hoe inona no lazain’ny Baiboly momba ny hoavy. Rehefa hitanao hoe tena tsara ny torohevitra ao amin’ny Baiboly, dia vao mainka ianao te hahafantatra an’izay lazainy momba ny hoavy. Ho hitanao ao, ohatra, hoe tian’Andriamanitra hanana “hoavy tsara sy fanantenana” ianao, sady nomeny porofo hoe tena azo antoka ilay fanantenana. (Jeremia 29:11) Ny Fanjakan’Andriamanitra io porofo io.

INONA NY FANJAKAN’ANDRIAMANITRA ARY INONA NO HATAONY?

Fitondram-panjakana any an-danitra ny Fanjakan’Andriamanitra ary hanjaka amin’ny tany manontolo. (Daniela 2:44; Matio 6:10) Hataon’io Fanjakana io tsy mijaly sy tsy mahantra intsony ny olona, fa hataony miadana sy manan-javatra be dia be, araka ny asehon’ireto andinin-teny ireto:

“Ho sambatra ianao sady hiadana.”​—Salamo 128:2.

“Tsy ho very maina fotsiny ny asa mafy [ataon’ny vahoakan’ilay Fanjakana].”​—Isaia 65:23.

“Hahavokatra be ny tany.”​—Salamo 72:16.

Olona an-tapitrisany no matoky hoe ho tanteraka ireo fampanantenana ireo, satria resy lahatra ry zareo hoe “tsy mahay mandainga” Andriamanitra. (Titosy 1:2) Maninona raha ianao mihitsy no mijery an’izany ao amin’ny Baiboly? Hanana fanantenana ianao amin’izay, dia ho vitanao ny hiaritra rehefa misy olana ara-bola sady hatoky ianao hoe mbola hihatsara ny fiainana.

Ramaz.

“Ny fampanantenana ao amin’ny Baiboly no nanampy ahy hahafantatra hoe tsy hikorontana hoatr’izao foana ny fiainana. Izany no mahatonga ahy hilamin-tsaina sy hahavita hiaritra na dia mihasarotra foana aza ny fiainana.”​—Ramaz, Géorgie.

FANAZAVANA FANAMPINY

Tena azo inoana ve izay lazain’ny Baiboly momba ny hoavy? Jereo ao amin’ny jw.org ilay video hoe Tena Marina ve Izay Lazain’ny Baiboly? sy ilay hoe Inona moa ny Fanjakan’Andriamanitra?

Vehivavy iray maka boky avy eo amin’ny fitoeram-boky.
    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara