FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Berota”
  • Berota

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Berota
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Berotita
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Berota Bene-jakana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Gitaima
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Bera, II
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Berota”

BEROTA

(Berôta) [Lavadrano].

Tanàna Hivita. Iray tamin’ireo tanàna efatra, izay nampiasa hafetsena mba hanaovana fifanekena tamin’i Josoa. Toa ireo lehilahy tao Gibeona no tompon-kevitra tamin’izany. (Js 9:3-17) Lasa lovan’ny fokon’i Benjamina ilay tanàna tatỳ aoriana. (Js 18:21, 25) Lehilahy avy tao Berota no namono an’i Isboseta zanakalahin’i Saoly, ary voalaza tao amin’ilay fitantarana fa “natao ho isan’ny faritr’i Benjamina koa ... i Berota.” Mety ho teo amin’ny sisin-tany niraisana tamin’ny foko hafa io tanàna io matoa nilaina nofaritana hoe an’iza. (2Sa 4:2-6) Voalaza fa nandositra tany Gitaima ny mponina tao, saingy tsy fantatra ny antony. Nandositra angamba izy ireo satria nanafika azy ireo ny Filistinina rehefa avy nandresy an’ireo tafik’i Saoly teo amin’ny Tendrombohitra Gilboa, na satria natahotra valifaty izy ireo rehefa nisy namono i Isboseta. Anisan’ireo niverina tany Joda anefa ny olona avy tao Berota, taorian’ny sesitany tany Babylona.​—Ezr 2:1, 25; Ne 7:29.

Misy milaza an’i Berota ho i Kirbet el Burj na i Nabi Samvil any atsimo. Misy indray milaza azy io ho i el Bira, tanàna any akaikin’i Ramallah, tokotokony ho 14 km any avaratr’i Jerosalema, ary tokotokony ho 8 km any avaratra avaratratsinanan’i Gibeona, izany hoe any akaikin’ny sisin-tanin’i Efraima. Tsy ory rano ilay toerana satria misy loharano. Ahitana sisa tavela tamin’ny toerana fitobian’ireo mpanao dia lavitra fahiny koa any.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara