FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Joda, Tany Efitr’i”
  • Joda, Tany Efitr’i

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Joda, Tany Efitr’i
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Tany Efitr’i Joda
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Ny efitr’i Joda — Ngazana nefa mahatalanjona
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Tany Efitra
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Fianarana Azo Ampiharina avy Amin’ny Tany Nampanantenaina
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Joda, Tany Efitr’i”

JODA, TANY EFITR’I

Toerana mangadihady any amin’ny ilany atsinanan’ireo tendrombohitr’i Jodia. (Mpts 1:16) Tokony ho 16 ka hatramin’ny 24 km ny sakan’io tany efitra io. Manomboka eo atsinanana kelin’ny Tendrombohitra Oliva izy io, ary mitohy 80 km manaraka ny morontsiraka andrefan’ny Ranomasina Maty. Havoana vatosokay dombodombo loha no tena betsaka amin’ilay faritra, ary misy lohasaha falehan-driaka sy hantsana eny an-tsefatsefany eny. (SARY, Boky 1, p. 335) Lasa harambato sy hadilanana anefa ireo havoana ireo, rehefa eny akaikin’ny Ranomasina Maty, ary lasa tevana mihitsy aza rehefa eny amoron’ilay ranomasina. Ao anatin’ny halaviran-dalana 24 km dia nihena 1200 m eo ho eo ny haavon’ilay tany efitra. Tsy tonga hatrany àry ny rivotra mpitondra orana avy any andrefana, ka zara raha mahazo orana ilay faritra. Mitsoka mankany koa ny rivotra maina avy any atsinanana. Lasa misy rano misasasasa anefa eo amin’ireo lohasaha falehan-driaka, rehefa avy ny orana, ka mba misy zavamaniry ihany any mandritra ny herinandro vitsivitsy.

Nilaza i Davida fa “tany maina sy karakaina tsy misy rano” ny Tany Efitr’i Joda, izay nalehany tamin’izy nandositra an’i Saoly. (Sl 63: t.m., 1) Sady tsy misy loharano any no tsy misy farihy. Mifanohitra tanteraka amin’izany ny zavatra hitan’i Ezekiela tao amin’ny fahitana: Nisy renirano nikoriana avy tao amin’ny tempoly, ary nikoriana teo amin’ilay tany efitra, ka feno hazo naniry teny amorony.​—Ezk 47:1-10.

Isan-taona, dia azo inoana fa tany amin’ny Tany Efitr’i Joda, izay ngazana, no nalefa ny ‘osilahy ho an’i Azazela’, tamin’ny Andro Fandrakofam-pahotana. Avy tao amin’ny tempoly tao Jerosalema ilay osilahy no nentina nankany. (Le 16:21, 22) Tany amin’ny ilan’ny Tany Efitr’i Joda, tany avaratry ny Ranomasina Maty, i Jaona Mpanao Batisa no nanomboka ny fanompoany, tamin’ny taonjato voalohany. (Mt 3:1-6) Toa tany ho any amin’iny faritra iny koa ny Devoly no naka fanahy an’i Kristy Jesosy.​—Mt 4:1.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara