FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Seba”
  • Seba

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Seba
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Sabeanina
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Kosy
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Etiopia
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Neily
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Seba”

SEBA

(Sèba).

1. Iray amin’ireo enina mirahalahy zanak’i Kosy.​—Ge 10:7, 8; 1Ta 1:9, 10.

2. Tany any Afrika Atsinanana. Milaza ny Isaia 43:3 fa homena ho vidin’ny nanavotana an’i Jakoba i Seba sy Ejipta ary Etiopia (Kosy). Miresaka momba an’ireo tany ireo koa ny Isaia 45:14, saingy “Sabeanina” no ampiasaina ao fa tsy “Seba.” Midika izany fa ny mponin’i Seba no natao hoe Sabeanina. Toa tany Etiopia na teny akaikiny i Seba, raha araka ireo andininy ireo. Manamarina izany i Josèphe, izay nilaza fa ny tanànan’i Méroé teo amoron’i Neily miampy an’ilay faritra lehibe (Nosin’i Méroé) eo anelanelan’i Neily sy Neily Manga ary ny reniranon’i Atbara no natao hoe “Saba.” (Rakitry ny Ela Jiosy, II, 249 [x, 2]) Voalaza koa fa “lehilahy ranjanana” ny Sabeanina. (Is 45:14) Manamarina izany i Hérodote (III, 20) izay nilaza fa ny Etiopianina no “lehilahy ranjanana sy tsara tarehy indrindra.”​—Jereo KOSY No. 1 sy 2.

Efa hatry ny ela i Méroé no nitana toerana lehibe teo amin’ny resaka varotra. Anisan’ireo toerana lavitra hofehezin’ilay Mpanjaka notendren’i Jehovah i Seba sy Sheba, araka ny Salamo 72. Voalaza ao fa hanolotra fanomezana ny mpanjakan’izy ireo.​—Sl 72:10; Jl 3:8.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara