BETI-TAPOA
(Bèti-tapoà) [Tranon’ny [Hazo] Paoma].
Tanàna tany amin’ireo havoana akaikin’i Hebrona, ary anisan’ny lovan’ny fokon’i Joda. (Js 15:20, 48, 53) Misy milaza hoe avy amin’ny anaran’ilay Jodianina atao hoe Tapoa ny hoe Beti-tapoa. (1Ta 2:42, 43) Mety ho be paoma koa anefa tany, ka izay no nahatonga ilay anarany. Misy mihevitra azy io ho i Taffouh, tokotokony ho 6 km any andrefana avaratrandrefan’i Hebrona.