FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w22 Desambra p. 28-30
  • Vonona “Handova ny Tany” ve Ianao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Vonona “Handova ny Tany” ve Ianao?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2022
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • VONONA HANJAKA AMIN’NY TANY
  • VONONA HIKARAKARA AN’IREO HATSANGANA AMIN’NY MATY
  • VONONA HAMPIANATRA AN’IREO HATSANGANA AMIN’NY MATY
  • Tena Hatsangana ny Maty!
    Inona no Azonao Ianarana ao Amin’ny Baiboly?
  • Ny fananganana ny maty — hatao ho an’iza, ary ho aiza?
    Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-Tany
  • Iza avy no Hatsangana Amin’ny Maty? Aiza Izy Ireo no Hipetraka?
    Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe
  • Fizarana 10
    Mihainoa An’Andriamanitra
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2022
w22 Desambra p. 28-30
Olona manova ny tany ho paradisa. Ny sasany manala sisan-javatra rava, ny hafa manorina trano, ary misy manao zaridaina.

Vonona “Handova ny Tany” ve Ianao?

TIANTSIKA rehetra ilay fampanantenan’i Jesosy hoe: “Sambatra izay malemy fanahy, fa izy no handova ny tany.” (Mat. 5:5) Handova ny tany ny voahosotra rehefa lasa mpanjaka any an-danitra miaraka amin’i Jesosy. (Apok. 5:10; 20:6) Ny ankamaroan’ny tena Kristianina amin’izao kosa manantena ny hiaina mandrakizay etỳ an-tany. Ho lavorary ry zareo sady hiadana sy ho sambatra mandrakizay. Hisy asa lehibe vitsivitsy tsy maintsy hatao anefa mba hahatanteraka an’izany. Anisan’izany ireto: 1) Hanjaka amin’ny tany, 2) hikarakara an’ireo olona hatsangana amin’ny maty, ary 3) hampianatra an-dry zareo. Rehefa mandinika an’ireo isika, dia eritrereto hoe inona no azonao atao dieny izao, mba hampisehoana hoe te handray anjara amin’ireo asa ireo ianao.

VONONA HANJAKA AMIN’NY TANY

Nandidy ny olombelona i Jehovah hoe “mamenoa ny tany”, ary “anjakao” izy io. (Gen. 1:28) Midika izany fa ho lasa paradisa ny tany manontolo rehefa mandeha ny fotoana. Mila mankatò an’io didy tany am-boalohany io koa ireo handova ny tany. Tsy hisy paradisa azo itarina anefa amin’izany, satria efa tsy eo intsony ny zaridainan’i Edena. Vao vita ny Aramagedona dia hisy fanadiovana be hatao. Tsy maintsy hesorina mantsy ireo sisan-javatra rava etỳ an-tany. Asa be izany!

Mampahatsiahy antsika ny asa niandry ny Israelita izany, rehefa nody avy tany Babylona ry zareo. Tsy nisy nipetraka mantsy tao amin’ny taniny nandritra ny 70 taona. Efa naminany anefa i Isaia fa ho vitan-dry zareo ny hamerina ny taniny ho hoatran’ny teo aloha indray, satria hotahin’i Jehovah ry zareo. Izao no nolazainy: “Hataony ho toa an’i Edena ny tany efitra any, ary ho toy ny zaridainan’i Jehovah ny lemaka karakaina.” (Isaia 51:3) Dia izany tokoa no nitranga! Ho vitan’ireo handova ny tany koa ny hanova ny tany ho paradisa, satria hotahin’i Jehovah ry zareo. Dieny izao aza dia efa azonao aseho hoe te handray anjara amin’izany ianao.

Inona, ohatra, no azonao atao? Iezaho atao madio sy milamina foana ny tranonao sy ny tokotany, na dia tsy manao an’izany aza ny manodidina anao. Tsy izay ihany, fa afaka manampy manadio sy mikojakoja ny Efitrano Fanjakana sy Efitrano Fivoriambe ianao. Ary maninona raha mameno fangatahana hanao asa an-tsitrapo hanampy ny tra-boina, raha afaka manao an’izany? Izany no hampisehoanao hoe vonona hanampy foana ianao rehefa ilaina. Eritrereto àry izao: ‘Misy zavatra azoko ianarana ve dieny izao, mba hampiasaiko raha avelan’i Jehovah handova ny tany aho?’

Rahalahy sy anabavy vitsivitsy manadio sy mikojakoja Efitrano Fanjakana.

VONONA HIKARAKARA AN’IREO HATSANGANA AMIN’NY MATY

Vao avy nanangana ny zanakavavin’i Jairo i Jesosy, dia nasainy nomena sakafo ilay ankizy. (Mar. 5:42, 43) Azo inoana fa tsy sarotra ny nikarakara an’io ankizivavy 12 taona io. Fa eritrereto ange e! Ahoana izao rehefa tanteraka ilay fampanantenan’i Jesosy hoe ‘handre ny feony izay rehetra any am-pasana, dia hivoaka’? (Jaona 5:28, 29) Azo antoka fa be dia be ny zavatra tsy maintsy karakaraina amin’izany. Mila sakafo sy trano ary akanjo mantsy ireo hatsangana amin’ny maty, na dia tsy miresaka tsipiriany momba an’izany aza ny Baiboly. Ahoana no ampisehoanao hoe efa vonona hanampy ianao dieny izao? Azonao saintsainina ireto fanontaniana ireto:

Inona no azonao atao izao mba hampisehoana hoe vonona handova ny tany ianao?

Rahalahy sy anabavy falifaly any amin’ny seranam-piaramanidina. Mitsena vahiny hanatrika fivoriambe iraisam-pirenena any Paris ry zareo.

Rehefa ampandrenesina hoe hitsidika ny mpiandraikitra ny faritra, dia vonona hanasa azy hisakafo ve ianao? Ary ahoana raha misy Betelita voatendry hanompo eny amin’ny saha, na mpiandraikitra ny faritra tsy afaka mitety faritany intsony? Afaka manampy azy hahita trano ve ianao? Mety hisy fivoriamben’ny vondrom-paritra na fivoriamben’ny vondrom-paritra manokana koa any aminareo. Afaka manao asa an-tsitrapo ve ianao aloha na aorian’ilay fivoriambe, na manolo-tena handray an’ireo vahiny avy any ivelany?

VONONA HAMPIANATRA AN’IREO HATSANGANA AMIN’NY MATY

Manantena isika fa an’arivony tapitrisa no hatsangana amin’ny maty, araka ny Asan’ny Apostoly 24:15. Tsy afaka nianatra momba an’i Jehovah ny ankamaroan’izy ireny. Ho afaka ny hanao an’izany anefa izy ireo rehefa hatsangana.a Dia iza no hampianatra an-dry zareo? Mpanompon’Andriamanitra tsy mivadika sy efa za-draharaha. (Isaia 11:9) Efa te hanao mafy an’izany i Charlotte. Nitory tany Eoropa sy Amerika Atsimo ary Afrika izy. Faly erỳ izy nitantara hoe: “Tsy andriko ny hampianatra an’ireo hatsangana amin’ny maty. Rehefa mamaky tantaran’olona iray velona taloha aho, dia matetika no mieritreritra hoe: ‘Raha mba nahafantatra an’i Jehovah izao io olona io, dia ho hafa mihitsy ny fiainany.’ Tiako erỳ ny hiresaka amin’ireo hatsangana amin’ny maty momba an’ireo zavatra tsara mbola tsy fantany.”

Tsy maintsy mbola hianatra zavatra be dia be, na dia ireo mpanompon’i Jehovah nanam-pinoana velona talohan’ny nahatongavan’i Jesosy teto an-tany aza. Alao sary an-tsaina hoe ho afaka hanazava amin’i Daniela ny fahatanterahan’ny faminaniany ianao. Hahafinaritra erỳ izao izany sady ho tombontsoa be. Nosoratany mantsy ireny faminaniana ireny nefa tsy azony ny dikany. (Dan. 12:8) Ho afaka hampianatra an’i Rota sy Naomy koa ianao hoe lasa anisan’ny razamben’ny Mesia ny fianakaviany. Ho faly erỳ isika amin’izay handray anjara amin’izany asa fampianarana hatao maneran-tany izany! Efa tsy hisy intsony amin’izay ny olana sy ny fanelingelenana fahita eto amin’ity tontolo ratsy ity.

Anabavy iray mizara taratasy mivalona amin’ny vehivavy iray any amin’ny toerana fanasan-damba.

Ahoana no ampisehoanao dieny izao hoe te hiomana ho amin’izany asa fampianarana izany ianao? Azonao atao, ohatra, ny miezaka hahay hampianatra kokoa, sy mandray anjara tsy tapaka amin’ny asa fitoriana atao maneran-tany. (Mat. 24:14) Izany no ahitana hoe vonona hampianatra an’ireo hatsangana amin’ny maty ianao, na dia tsy afaka manao be aza ianao izao, satria efa be taona na noho ny antony hafa.

Tsara àry ny mieritreritra an’ireto fanontaniana lehibe ireto: Tena tsy andriko ve ny handova ny tany? Efa tsindrian-daona ve aho mieritreritra hoe hanjaka amin’ny tany, ary hikarakara sy hampianatra an’ireo olona hatsangana amin’ny maty? Asehonao dieny izao àry hoe vonona amin’izany ianao, raha manararaotra manao an’izay asa mitovitovy amin’izay miandry anao rehefa mandova ny tany ianao.

a Jereo ilay lahatsoratra hoe “Ampiana Hanaraka ny Fahamarinana ny Olona Maro” ao amin’ny Tilikambo Fiambenana Septambra 2022.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara