-
Genesisy 40:8Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
8 Dia hoy izy ireo: “Samy nanonofy izahay, nefa tsy misy mahay manazava aminay ny dikan’ilay izy.” Ary hoy i Josefa: “Andriamanitra ihany no mahay manazava ny dikan’ny nofy.+ Mba tantarao amiko hoe ilay izy!”
-
-
Daniela 2:23Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
23 Ianao no isaorako sy deraiko, ry Andriamanitry ny razambeko ô!
Efa nomenao fahendrena sy hery mantsy aho.
Dia nampahafantarinao ahy koa izao ny zavatra nangatahinay taminao.
Nampahafantarinao anay ilay zavatra mampiasa saina ny mpanjaka.”+
-
-
Daniela 2:28Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
28 Misy Andriamanitra anefa any an-danitra, dia izy no Mpampiharihary zava-miafina.+ Izy no nampahafantatra tamin’i Nebokadnezara Mpanjaka ny zavatra hitranga any am-parany. Izao ilay nofinao sy ireo fahitana hitanao tamin’ianao natory tao am-pandriana:
-