-
Genesisy 41:5-7Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
5 Ary niverina natory indray izy ka nanonofy fanindroany. Dia ireo, hono, nisy salohim-barimbazaha fito vaventy sady tsara,+ nipoitra tamin’ny tahony iray. 6 Nisy salohim-barimbazaha fito hafa koa nipoitra, mahia sady mainan’ny rivotra avy any atsinanana. 7 Dia natelin’ireo salohim-bary mahia ireo ny salohy fito vaventy sady tsara. Dia taitra tamin’ny torimasony i Farao, ka fantany fa hay nofy ilay izy.
-