-
Genesisy 41:22-24Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
22 “Avy eo dia hitako tao amin’ny nofiko indray, fa nisy salohim-barimbazaha fito vaventy sady tsara, nipoitra tamin’ny tahony iray.+ 23 Ary nisy salohim-barimbazaha fito hafa koa nipoitra, malazo sady mahia ary mainan’ny rivotra avy any atsinanana. 24 Dia natelin’ireo salohim-bary mahia ireo ny salohy fito tsara. Dia notantaraiko tamin’ny mpisorona mpanao sikidy+ izany, nefa tsy nisy nahavita nilaza ny dikan’ilay nofy tamiko.”+
-