13 Dia hoy izy ireo: “Misy 12 mirahalahy+ izahay mpanomponao, ary zanaky ny lehilahy iray ihany.+ Mipetraka any Kanana ny rainay,+ ary any aminy izao ny faralahy, fa ny iray efa tsy eo intsony.”+
7 Dia hoy izy ireo: “Nivantana be mihitsy ange ny fanontanian’ilay lehilahy momba anay sy ny havanay e! Hoy izy: ‘Mbola velona any ve ny rainareo? Manana rahalahy hafa koa ve ianareo?’ Dia nolazainay taminy ny marina.+ Izahay ve moa nanampo fa hiteny izy hoe: ‘Ento midina atỳ ilay rahalahinareo’?”+