-
Genesisy 37:34, 35Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
34 Dia nandrovitra ny akanjony i Jakoba, ka nisikina lamba gony sady nisaona an’ilay zanany andro maro. 35 Niezaka nampionona azy foana ny zanany lahy rehetra sy ny zanany vavy rehetra, fa tsy nety nampiononina mihitsy izy. Fa hoy izy: “Hisaona ny zanako foana aho mandra-pahafatiko!”*+ Dia nitomany an-janany foana izy.
-
-
Genesisy 42:38Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
38 Fa hoy i Jakoba: “Tsy mahazo miara-midina aminareo any ny zanako, satria efa maty ny rahalahiny dia izy irery sisa no tavela.+ Raha tratran’ny loza any amin’izay halehanareo any izy ka maty, dia ahoana? Dia hataonareo mihitsy izay hidinako amin’alahelo+ any amin’ny Fasana,*+ amin’izao izaho efa fotsy volo izao.”
-