-
Genesisy 12:16Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
16 Tsara fanahy tamin’i Abrama i Farao satria tiany i Saray. Koa nahazo ondry, omby, ampondralahy sy ampondravavy, mpanompolahy sy mpanompovavy, ary rameva i Abrama.+
-
-
Genesisy 26:12Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
12 Dia nanomboka namafy voa tao amin’izany tany izany i Isaka. Ary nahatratra avo 100 heny ny vokatra azony tamin’io taona io, satria notahin’i Jehovah izy.+
-
-
Genesisy 26:14Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
14 Nahazo andian’ondry sy andian’omby ary mpanompo maro be izy,+ ka lasa nialona azy ny Filistinina.
-
-
Genesisy 46:33, 34Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
33 Rehefa mampiantso anareo àry i Farao ka manontany hoe: ‘Inona no asanareo?’, 34 dia lazao hoe: ‘Efa mpiompy foana izahay mpanomponao hatramin’ny fahazazanay ka hatramin’izao, na izahay na ny razambenay.’+ Amin’izay ianareo ho afaka hipetraka eto Gosena,+ satria maharikoriko amin’ny Ejipsianina ny mpiandry ondry rehetra.”+
-