-
Eksodosy 1:13, 14Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
13 Nandevozin’ny Ejipsianina àry ny Israelita, ka nataony nitondra faisana.+ 14 Nataony izay hampangidy ny fiainan’izy ireo, ka notereny hiasa mafy hanao rihitra tanimanga sy biriky izy ireo, sady notereny hanao ny karazana asa an-terivozona rehetra tany an-tsaha. Nampanaoviny asa mafy izy ireo sady nampijaliny, ka notereny hanao an’izao karazana asa an-terivozona rehetra izao.+
-
-
Asan’ny Apostoly 7:6, 7Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
6 Nilaza tamin’i Abrahama koa Andriamanitra fa ho vahiny any an-tanin’olona ny taranany. Ary hataon’ny mponina any andevo izy ireo, ka hampijaliny* 400 taona.+ 7 ‘Dia hotsaraiko ilay firenena hanandevo azy ireo’,+ hoy Andriamanitra, ‘ary aorian’izany dia hiala any izy ireo, ka hanao fanompoana masina ho ahy eto amin’ity toerana ity.’+
-