-
Genesisy 12:18, 19Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
18 Nantsoin’i Farao àry i Abrama, ka hoy izy: “Fa inona ity nataonao tamiko? Maninona no tsy nolazainao tamiko hoe vadinao izy? 19 Fa maninona ianao no niteny hoe: ‘Anabaviko izy’?+ Izaho anefa efa saika haka azy ho vady. Io ny vadinao! Ento izy dia mandehana mandeha!”
-
-
Genesisy 26:9, 10Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
9 Tonga dia niantso an’i Isaka i Abimeleka ka niteny hoe: “Hay vadinao izy! Koa naninona ianao no niteny hoe: ‘Anabaviko izy’?” Dia hoy i Isaka taminy: “Nilaza an’izany aho, sao hisy hamono noho izy.”+ 10 Hoy indray i Abimeleka: “Fa inona ity nataonao taminay?+ Raha sanatria nisy olona nanao firaisana tamin’ny vadinao mantsy, dia ho nanota izahay noho ianao!”+
-