32 Tamin’io andro io, dia tonga ny mpanompon’i Isaka ka nitantara taminy momba an’ilay lavadrano nolavahan’izy ireo.+ Hoy izy ireo: “Nahita rano izahay!” 33 Dia nataon’i Isaka hoe Shiba ny anaran’izy io. Izany no nahatonga ny anaran’ilay tanàna hoe Beri-sheba+ hatramin’izao.