-
Genesisy 13:14, 15Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
14 Hoy i Jehovah tamin’i Abrama, rehefa nisaraka izy sy Lota: “Azafady ange e! Jereo avy eo amin’ny toerana misy anao eo ny manodidina, dia mijere mianavaratra sy mianatsimo sy miantsinanana ary miankandrefana. 15 Fa homeko ho fanananao sy ny taranakao mandrakizay ireo tany rehetra tazanao ireo.+
-
-
Genesisy 26:3, 4Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
3 Ary aoka ianao hivahiny eto amin’ity tany ity,+ dia hanampy anao foana aho sady hitahy anao. Ianao sy ny taranakao mantsy no homeko an’ireo tany rehetra ireo.+ Dia hotanterahiko ilay fianianana nataoko tamin’i Abrahama rainao hoe:+ 4 ‘Hataoko lasa be dia be hoatran’ny kintana eny amin’ny lanitra ny taranakao,+ ary homeko ny taranakao ireo tany rehetra ireo.+ Dia hahazo fitahiana amin’ny alalan’ny taranakao ny firenena rehetra eny ambonin’ny tany.’+
-
-
Asan’ny Apostoly 7:4, 5Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
4 Dia niala tao amin’ny tanin’ny Kaldeanina izy, ka nipetraka tany Harana. Ary rehefa maty ny rainy,+ dia nasain’Andriamanitra nifindra nankatỳ amin’ity tany onenanareo amin’izao ity izy.+ 5 Tsy nanome azy lova teto anefa Andriamanitra, na dia tany eram-paladia aza. Nampanantena anefa Izy fa hanome an’ity tany ity ho azy sy ho an’ny taranany,+ na dia mbola tsy nanan-janaka aza izy tamin’izay.
-