-
Genesisy 17:10Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
10 Izao no fifanekena ataoko aminao, ka tokony hohajainao sy ny taranakao handimby anao: Tsy maintsy forana ny lahy rehetra eo aminareo.+
-
-
Genesisy 17:23Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
23 Ary nalain’i Abrahama i Ismaela zanany lahy sy ny lehilahy rehetra teraka tao an-tranony ary izay rehetra novidiny tamin’ny volany, izany hoe ny lehilahy rehetra tao amin’ny ankohonany, ka noforany tamin’iny andro iny ihany, araka izay nolazain’Andriamanitra taminy.+
-
-
Genesisy 22:3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
3 Dia nifoha maraina i Abrahama ka nasiany lasely ny ampondrany. Dia nentiny niaraka taminy ny mpanompony roa lahy sy Isaka zanany. Namaky kitay ho an’ny fanatitra dorana izy, dia lasa nankany amin’ilay toerana natoron’Andriamanitra azy.
-
-
Jakoba 2:21Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
21 Tsy nolazaina hoe olo-marina ve i Abrahama raintsika noho izay nataony, rehefa avy nanolotra an’i Isaka zanany teo ambony alitara+ izy?
-