FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Genesisy 24:34
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 34 Ary hoy ilay lehilahy: “Mpanompon’i Abrahama aho.+

  • Genesisy 24:37
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 37 Nasain’ny tompoko nianiana àry aho. Dia hoy izy: ‘Aza maka vady ho an’ny zanako avy amin’ny zanakavavin’ny Kananita tompon’ity tany ipetrahako ity.+

  • Eksodosy 34:15, 16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 Tandremo sao manao fifanekena amin’ny mponina ao amin’ilay tany. Rehefa manompo an’ireo* andriamaniny sy manao sorona ho an’ny andriamaniny mantsy izy ireo,+ dia hisy hanasa anao, ka hihinana amin’ny sorona ataony ianao.+ 16 Dia azo antoka fa haka amin’ny zanany vavy ho vadin’ny zanakao lahy ianao.+ Ary hanompo an’ireo* andriamaniny ny zanany vavy, ka hitarika ny zanakao lahy hanompo an’ireny* andriamaniny ireny koa.+

  • 1 Mpanjaka 11:1-3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Tia vehivavy maro avy tamin’ny firenen-kafa+ anefa i Solomona Mpanjaka, ankoatra an’ilay zanakavavin’i Farao:+ Vehivavy moabita,+ amonita,+ edomita, sidonianina,+ ary hetita.+ 2 Izy ireny dia avy tamin’ireo firenena nolazain’i Jehovah tamin’ny Israelita hoe: “Aza mankany* amin’ireny ianareo, ary ireny koa tsy tokony hankatỳ aminareo, fa tena ho voatariny hanaraka ny andriamaniny ny fonareo.”+ Niraiki-po tamin’izy ireny anefa i Solomona sady tia azy ireny. 3 Ary nanana vady andriambavy 700 sy vadikely 300 izy, ka voatarik’ireo vadiny tsikelikely ny fony.*

  • 2 Korintianina 6:14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara