FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Deoteronomia 7:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 Fa hitarika ny zanakao lahy hiala amiko sy hanompo andriamani-kafa ireny,+ dia ho tezitra be aminao i Jehovah, ka horinganiny ao anatin’ny fotoana fohy ianao.+

  • Deoteronomia 31:16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 Ary hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Efa ho faty* ianao izao, dia hanomboka hivaro-tena* amin’ny andriamani-kafa manodidina azy ity vahoaka ity, any amin’ilay tany halehany.+ Ary hahafoy ahy izy ireo,+ ka hivadika amin’ilay fifanekena nataoko taminy.+

  • Mpitsara 2:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Na ireny mpitsara ireny aza anefa tsy nohenoiny, fa naleony nanompo* andriamani-kafa sy niankohoka tamin’izy ireny. Vetivety izy ireo dia tsy nanao intsony hoatran’ny nataon’ny razambeny,* izay nankatò ny didin’i Jehovah.+ Tsy mba nanao hoatr’izany izy ireo.

  • Mpitsara 8:33
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 33 Vao maty anefa i Gideona dia lasa nivavaka* tamin’ireo Bala indray ny Israelita,+ ka i Bala-berita no nofidiny ho andriamaniny.+

  • 1 Mpanjaka 11:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 2 Izy ireny dia avy tamin’ireo firenena nolazain’i Jehovah tamin’ny Israelita hoe: “Aza mankany* amin’ireny ianareo, ary ireny koa tsy tokony hankatỳ aminareo, fa tena ho voatariny hanaraka ny andriamaniny ny fonareo.”+ Niraiki-po tamin’izy ireny anefa i Solomona sady tia azy ireny.

  • Nehemia 13:26
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 26 Tsy izany ve no nahatonga an’i Solomona mpanjakan’ny Israely hanota? Tsy nisy firenena nanana mpanjaka hoatr’azy mihitsy,+ na taiza na taiza. Tia azy mantsy ny Andriamaniny,+ ka nanao azy ho mpanjakan’ny Israely manontolo. Na izy aza anefa voataonan’ireo vadiny hafa firenena ka lasa nanota.+

  • Salamo 106:28
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 28 Dia lasa nanompo an’i* Balan’i Peora+ izy ireo,

      Ary nihinana an’ireo sorona natolotra ho an’ny maty.*

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara