-
1 Mpanjaka 11:1-5Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
11 Tia vehivavy maro avy tamin’ny firenen-kafa+ anefa i Solomona Mpanjaka, ankoatra an’ilay zanakavavin’i Farao:+ Vehivavy moabita,+ amonita,+ edomita, sidonianina,+ ary hetita.+ 2 Izy ireny dia avy tamin’ireo firenena nolazain’i Jehovah tamin’ny Israelita hoe: “Aza mankany* amin’ireny ianareo, ary ireny koa tsy tokony hankatỳ aminareo, fa tena ho voatariny hanaraka ny andriamaniny ny fonareo.”+ Niraiki-po tamin’izy ireny anefa i Solomona sady tia azy ireny. 3 Ary nanana vady andriambavy 700 sy vadikely 300 izy, ka voatarik’ireo vadiny tsikelikely ny fony.* 4 Rehefa antitra i Solomona,+ dia voatarik’ireo* vadiny hanaraka andriamani-kafa ny fony.+ Ary tsy nifikitra tanteraka tamin’i Jehovah Andriamaniny ny fony, tsy mba hoatran’ny fon’i Davida rainy. 5 Nanaraka an’i Astarta,+ andriamanibavin’ny Sidonianina, i Solomona sady nanaraka an’i Milkoma,+ andriamanitra maharikoriko notompoin’ny Amonita.
-