-
Genesisy 30:29, 30Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
29 Dia hoy i Jakoba taminy: “Fantatrao tsara ny nanompoako anao sy ny nikarakarako tsara ny biby fiompinao.+ 30 Kely ny fanananao talohan’ny nahatongavako, nefa nihabetsaka ny biby fiompinao ka lasa be dia be. Notahin’i Jehovah mihitsy ianao hatramin’ny nahatongavako teto. Fa rahoviana kosa aho izany vao mba hanao zavatra ho an’ny ankohonako?”+
-