-
Genesisy 29:30Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
30 Dia nanao firaisana tamin’i Rahely koa i Jakoba. Ary i Rahely no tiany kokoa noho i Lea. Dia nanompo an’i Labana fito taona indray i Jakoba.+
-
-
Rota 4:11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
11 Dia hoy ny olona rehetra teo am-bavahadin’ny tanàna sy ny anti-panahy: “Izahay no vavolombelona! Hotahin’i Jehovah anie ilay vehivavy ho vadinao ka ho lasa hoatran’i Rahely sy Lea, izay samy niavian’ny taranak’Israely!+ Enga anie ka handeha tsara ny fiainanao eto Efrata,+ ary halaza* ny anaranao eto Betlehema!+
-