-
Joba 38:11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
11 Ka nilaza hoe: ‘Hatreto ihany no azonao aleha fa tsy mahazo mihoatra,
Ary eto no hijanona ny onjanao misamboaravoara’?+
-
-
Salamo 104:6-9Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
6 Nampitafianao azy toy ny akanjo ny rano lalina.+
Nandifotra tendrombohitra ny rano.
7 Noteneninao mafy ny rano ka nandositra;+
Naheno ny feon’ny kotroka nalefanao ireny, ka nirifatra nitsoaka
8 Tany amin’ny toerana nataonao ho azy.
Nisondrotra ny tendrombohitra,+ ary niletsy ny lohasaha.
9 Nasianao fetra ny rano mba tsy hihoatra,+
Ka tsy hanarona ny tany intsony izany.
-
-
Salamo 136:6Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
6 Namelatra ny tany teo ambonin’ny rano izy,+
Fa be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay.
-