-
Salamo 33:7Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
7 Angoniny ny rano ao amin’ny ranomasina, ka toy ny hoe misy tohodrano;+
Ataony ao anaty trano fitehirizana ny rano manonja be.
-
-
Ohabolana 8:29Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
29 Tamin’izy nanome baiko ny ranomasina hoe
Tsy tokony hihoatra ny fetra nolazainy ny onjany,+
Tamin’izy nametraka* ny fototry ny tany,
-
Jeremia 5:22Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
22 ‘Tsy mba matahotra ahy ve ianareo’, hoy i Jehovah.
‘Tsy tokony hangovitra eo anatrehako ve ianareo?
Izaho ange no nanao ny fasika ho fetran’ny ranomasina e,
Mba ho lalàna mandrakizay tsy azony dikaina!
Na misamboaravoara aza ny onjany, dia tsy hivoaka ho mpandresy.
Ary na midoboka mafy aza ireny, dia mbola tsy ho afaka ny hihoatra an’ilay fetra ihany.+
-
-
-