FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Deoteronomia 17:14, 15
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 “Rehefa miditra ao amin’ilay tany homen’i Jehovah Andriamanitrao anao ianao, ary maka an’ilay izy ho anao sady mipetraka ao, ka miteny hoe: ‘Andeha aho hanendry mpanjaka hifehy ahy, hoatran’ny ataon’ny firenena rehetra manodidina ahy’,+ 15 dia izay mpanjaka fidin’i Jehovah Andriamanitrao ihany no tsy maintsy hotendrenao hifehy anao.+ Olona avy amin’ny rahalahinao no hotendrenao ho mpanjaka, fa tsy azonao tendrena hifehy anao ny hafa firenena tsy rahalahinao.

  • 1 Samoela 10:19
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 19 Nolavinareo anefa androany ilay Andriamanitrareo,+ izay namonjy anareo tamin’ny loza sy ny fahoriana rehetra nanjo anareo. Ary niteny ianareo hoe: “Manendre fotsiny mpanjaka ho anay e!” Mijoroa àry eo anatrehan’i Jehovah, isam-poko sy isam-pianakaviana.’”*

  • 1 Tantara 1:43-50
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 43 Ireto no mpanjaka nitondra tany Edoma,+ tamin’ny mbola tsy nisy mpanjaka teo amin’ny Israelita:*+ I Bela zanakalahin’i Beora, ary Dinaba no anaran’ny tanànany. 44 Rehefa maty i Bela, dia i Jobaba zanakalahin’i Zera avy any Bozra+ no nanjaka nandimby azy. 45 Rehefa maty i Jobaba, dia i Hosama avy any amin’ny tanin’ny Temanita no nanjaka nandimby azy. 46 Rehefa maty i Hosama, dia i Hadada zanakalahin’i Bedada no nanjaka nandimby azy. Nandresy ny Midianita teo amin’ny faritr’i* Moaba i Hadada, ary Avita no anaran’ny tanànany. 47 Rehefa maty i Hadada, dia i Samla avy any Masreka no nanjaka nandimby azy. 48 Rehefa maty i Samla, dia i Saoly avy any Rehobota eo amoron’ny Renirano no nanjaka nandimby azy. 49 Rehefa maty i Saoly, dia i Bala-hanana zanakalahin’i Akbora no nanjaka nandimby azy. 50 Rehefa maty i Bala-hanana, dia i Hadada no nanjaka nandimby azy, ary Pao no anaran’ny tanànany. Ary ny anaran’ny vadiny dia Mehetebela zanakavavin’i Matreda, izay zanakavavin’i Mezahaba.

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara