-
Eksodosy 28:28Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
28 Asio kofehy manga eo amin’ny mason-drojon’ny saron-tratra mankeo amin’ny mason-drojon’ny efoda, mba hamatorana an’ilay saron-tratra. Amin’izay dia hipetraka tsara eo amin’ny efoda, eo ambonin’ilay fehikibo vita tenona, ilay izy.
-
-
Eksodosy 39:15Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
15 Dia nasian’izy ireo rojo mirandrana toy ny tady, vita tamin’ny volamena tsy misy fangarony,+ teo amin’ilay saron-tratra.
-
-
Eksodosy 39:21Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
21 Ary nafatotr’izy ireo tamin’ny kofehy manga ny saron-tratra, ka nafatony avy teo amin’ny mason-drojon’ny saron-tratra nankeo amin’ny mason-drojon’ny efoda. Amin’izay ilay saron-tratra dia hipetraka tsara eo amin’ny efoda, eo ambonin’ilay fehikibo vita tenona, araka ny didy nomen’i Jehovah an’i Mosesy.
-