FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 39:8-14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 Nanamboatra ny saron-tratra+ izy avy eo. Nasiana peta-kofehy hoatran’ilay efoda izy io. Ireto avy no nanaovana azy: Kofehy volamena, kofehy manga, volonondry volomparasy, kofehy mena midorehitra, ary kofehy rongony miolana tsara.+ 9 Efamira ilay saron-tratra rehefa navalona roa. Dia nataon’izy ireo ilay saron-tratra, ka irain-jehy* ny lavany sy ny sakany rehefa navalona roa ilay izy. 10 Nasian’izy ireo vatosoa misy laharana efatra ilay izy. Robia sy topaza ary emeraoda no teo amin’ny laharana voalohany. 11 Torkoazy sy safira ary jaspa no teo amin’ny laharana faharoa. 12 Vato lesema* sy agata ary ametista no teo amin’ny laharana fahatelo. 13 Ary krizolita sy oniksa ary jady no teo amin’ny laharana fahefatra. Natao tao anaty tranotranony volamena ireo vato ireo. 14 Nisy ny anaran’ny zanakalahin’i Israely 12 ireo vato, ary natao sokitra hoatran’ny fanao amin’ny tombo-kase ny tsirairay tamin’ny anaran’ireo foko 12.

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara