-
Eksodosy 26:7-11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
7 “Manamboara koa lamba 11+ vita amin’ny volon’osy+ mba handrakofana ny tranolay masina. 8 Ho 30 hakiho ny lavan’ny lamba tsirairay ary 4 hakiho ny sakany. Ataovy mitovy daholo ny refin’ny lamba 11. 9 Atambaro ny lamba dimy, ary ataovy toy izany koa ny lamba enina ambiny, ka avalòny roa ny lamba fahenina izay eo anoloan’ny tranolay. 10 Ary asio vona 50 ny sisin’ny lamba farany indrindra amin’ilay lamba be voalohany, ary vona 50 koa eo amin’ny sisin’ilay lamba be faharoa, eo amin’izay ihaonan’izy ireo. 11 Manaova faraingo kely varahina 50, ka ampidiro eo amin’ireo vona izany, dia akambano amin’ireny ireo fitambaran-damba mba ho lamba iray ihany izy rehetra.
-