-
Eksodosy 36:14-18Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
14 Dia nanamboatra lamba 11 tamin’ny volon’osy izy nandrakofana ny tranolay masina.+ 15 Ary 30 hakiho ny lavan’ny lamba tsirairay ary 4 hakiho ny sakany. Nitovy daholo ny refin’ny lamba 11. 16 Dia natambany ny lamba dimy, ary nataony toy izany koa ny lamba enina. 17 Avy eo dia nasiany vona 50 ny sisin’ny lamba farany indrindra amin’ilay lamba be voalohany, teo amin’izay nihaonan’ireo lamba be roa. Nasiany vona 50 koa ny sisin’ny lamba be faharoa izay nakambana tamin’ilay lamba be voalohany. 18 Ary nanao faraingo kely varahina 50 izy mba hanakambanana an’ireo lamba be ireo ho lamba iray ihany.
-