-
Eksodosy 26:22-25Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
22 Manaova rafitra enina hatao lamosin’ilay tranolay, eo amin’ny lafiny andrefana.+ 23 Dia manaova rafitra roa mba hatao tohana eo amin’ny zorony roa aoriana amin’ny tranolay. 24 Hazo roa no tokony hanaovana ny rafitra iray, miainga avy eny ambany ka hatreny amin’ny tampony. Ary tokony hihaona eo amin’ny tahony boribory voalohany izy ireo. Hoatr’izany no tokony hanaovana an’ireo rafitra roa, ka izy roa ireo no ho lasa tohana eo amin’ny zorony roa. 25 Dia valo no ho isan’ireo rafitra, ary 16 ny faladiany volafotsy, ka faladiany roa no hitsatohan’ny rafitra iray. Ary faladiany roa hoatr’izany daholo no hitsatohan’ny rafitra tsirairay.
-