-
Eksodosy 36:27-30Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
27 Nanao rafitra enina natao lamosin’ilay tranolay izy, teo amin’ny lafiny andrefana.+ 28 Ary nanao rafitra roa izy natao tohan’ilay tranolay teo amin’ny zorony roa aoriana. 29 Hazo roa no nanaovany an’ireo rafitra, niainga avy teny ambany ka hatreny amin’ny tampony. Nihaona teo amin’ny tahony boribory voalohany izy ireo. Hoatr’izany no nanaovany an’ireo rafitra roa, izay lasa tohana teo amin’ny zorony roa. 30 Koa valo ny isan’ireo rafitra ary 16 ny faladiany volafotsy, ka faladiany roa no nitsatohan’ny rafitra tsirairay.
-