-
Eksodosy 28:36, 37Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
36 “Manaova takelaka mamirapiratra amin’ny volamena tsy misy fangarony, ka asio soratra hoe: ‘An’i Jehovah ny fahamasinana.’ Ataovy sokitra toy ny fanao amin’ny tombo-kase izany.+ 37 Afatory eo anoloana amin’ilay satroka lamba ilay takela-bolamena,+ ka kofehy manga amatorana azy. Tsy tokony halana eo mihitsy ilay izy.
-