-
Eksodosy 7:11, 12Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
11 Nantsoin’i Farao anefa ny olon-kendry sy ny mpilalao ody.+ Dia nanao hoatran’izay nataon’i Arona koa ny mpisorona mpanao sikidy tao Ejipta, izay nampiasa herin’ny maizina.*+ 12 Samy nanipy ny tehiny izy ireo, ary lasa bibilava ngezabe daholo ireny. Natelin’ny tehin’i Arona anefa ny tehin’izy ireo.
-
-
Eksodosy 7:20Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
20 Tonga dia nataon’i Mosesy sy Arona izay nandidian’i Jehovah azy ireo. Ningainy ilay tehina, dia nokapohiny teo imason’i Farao sy ny mpanompony ny rano tao amin’ny Reniranon’i Neily. Koa lasa ra ny rano rehetra tao amin’ilay renirano.+
-
-
Eksodosy 8:7Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
7 Nanao hoatr’izany koa anefa ny mpisorona mpanao sikidy, izay nampiasa hery miafina. Nampiakatra sahona hankeny amin’ny tany Ejipta koa izy ireo.+
-
-
Eksodosy 8:18Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
18 Ary nampiasa hery miafina ny mpisorona mpanao sikidy+ ka nanandrana nampisy moka koa, saingy tsy nahavita. Dia nankeny amin’ny olona sy ny biby ny moka.
-
-
2 Timoty 3:8Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
8 Manohitra ny fahamarinana foana ireny olona ireny, hoatran’ny nanoheran’i Jana sy Jambra an’i Mosesy. Olona tena ratsy saina ireny, ary tsy ankasitrahana satria manohitra ny finoana.
-