-
Eksodosy 13:8Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
8 Ary teneno amin’ny zanakao amin’izay andro izay hoe: ‘Noho izay nataon’i Jehovah tamiko tamin’izaho nivoaka avy tany Ejipta no anaovako an’izao.’+
-
-
Deoteronomia 4:9Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
9 “Fa mitandrema fotsiny, dia tandremo tsara sao hadinoinao ny zavatra efa hitan’ny masonao, ary sao hiala ao am-ponao izany mandritra ny androm-piainanao. Ampahafantaro ny zanakao sy ny zafinao koa izany.+
-
-
Deoteronomia 6:20-22Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
20 “Raha manontany anao ny zanakao any aoriana any hoe: ‘Inona no dikan’ireny fampahatsiahivana sy fitsipika ary didim-pitsarana nandidian’i Jehovah Andriamanitsika anareo ireny?’, 21 dia izao no holazainao aminy: ‘Andevon’i Farao isika tany Ejipta, nefa nentin’i Jehovah nivoaka avy tany tamin’ny herin-tsandriny. 22 Koa nanao famantarana sy fahagagana lehibe i Jehovah mba handripahana an’i Ejipta+ sy Farao ary ny ankohonany manontolo, ary hitan’ny masontsika mihitsy izany.+
-
-
Salamo 44:1Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
44 Andriamanitra ô, ny sofinay no nandre,
Ny razambenay no nitantara taminay+
Ny zavatra nataonao tamin’ny androny,
Tamin’ny andro fahiny.
-