-
Eksodosy 3:18Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
18 “Hihaino ny teninao tokoa izy ireo.+ Ary hankany amin’ny mpanjakan’i Ejipta ianao sy ny anti-panahin’ny Israely, dia hiteny aminy hoe: ‘Niresaka taminay i Jehovah Andriamanitry ny Hebreo.+ Koa avelao izahay, azafady, handeha lalana telo andro mankany an-tany efitra, mba hahafahanay hanao sorona ho an’i Jehovah Andriamanitray.’+
-
-
Eksodosy 5:1Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
5 Nankao amin’i Farao i Mosesy sy Arona taorian’izay, ka niteny taminy hoe: “Izao no lazain’i Jehovah Andriamanitry ny Israely: ‘Alefaso ny vahoakako mba hankalaza fety ho ahy any an-tany efitra.’”
-