-
Eksodosy 3:18Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
18 “Hihaino ny teninao tokoa izy ireo.+ Ary hankany amin’ny mpanjakan’i Ejipta ianao sy ny anti-panahin’ny Israely, dia hiteny aminy hoe: ‘Niresaka taminay i Jehovah Andriamanitry ny Hebreo.+ Koa avelao izahay, azafady, handeha lalana telo andro mankany an-tany efitra, mba hahafahanay hanao sorona ho an’i Jehovah Andriamanitray.’+
-
-
Eksodosy 5:3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
3 Fa hoy izy roa lahy: “Niresaka taminay ny Andriamanitry ny Hebreo. Koa mba te handeha lalana telo andro mankany an-tany efitra re izahay e, mba hanao sorona ho an’i Jehovah Andriamanitray!+ Raha tsy izany mantsy, dia hamely anay amin’ny aretina izy na amin’ny sabatra.”
-