-
Eksodosy 18:2-4Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 Dia nentin’i Jetro rafozan’i Mosesy i Zipora vadin’i Mosesy. Nalefa nody tany amin’i Jetro mantsy i Zipora 3 sy ny zanany roa lahy.+ Gersoma*+ no natao anaran’ny iray, satria hoy i Mosesy: “Lasa mpivahiny atỳ an-tanin’olona aho.” 4 Ny anaran’ny iray kosa natao hoe Eliezera,* fa hoy izy: “Ny Andriamanitry ny raiko no mpanampy ahy, ka namonjy ahy tsy ho fatin’ny sabatr’i Farao.”+
-
-
Nomery 12:1Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
12 Ary nanome tsiny an’i Mosesy i Miriama sy Arona, noho ilay vehivavy kosita nalainy ho vady. Nanambady vehivavy kosita+ mantsy i Mosesy.
-