FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Nomery 20:8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 “Alaivo ny tehinao, ary mandehana ianao sy Arona rahalahinao mamory ny vahoaka. Teneno eo imason’ny vahoaka ny vatolampy mba hiboiboika rano. Dia hisy rano hivoaka avy amin’ilay vatolampy, ka omeo rano hosotroina ny vahoaka sy ny biby fiompiny.”+

  • Deoteronomia 8:14, 15
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 dia aza avela hiavonavona* ny fonao+ ka hahatonga anao hanadino an’i Jehovah Andriamanitrao. Izy mantsy no nitondra anao nivoaka avy tany Ejipta, avy tany amin’ny toerana nanandevozana anao.+ 15 Izy koa no nitarika anao hamakivaky an’ilay tany efitra lehibe sy mampahatahotra,+ izay misy bibilava misy poizina sy maingoka, sady tany karakaina tsy misy rano. Izy koa no namoaka rano avy tamin’ny vatolampy,+

  • Nehemia 9:15
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 Nomenao mofo avy any an-danitra ry zareo rehefa noana,+ ary namoahanao rano avy tao amin’ny vatolampy rehefa nangetaheta.+ Dia noteneninao ry zareo mba hankao amin’ilay tany efa nianiananao* hoe homena azy, ary nasainao naka an’ilay tany ry zareo.

  • Salamo 78:15
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 Nampitresaka vatolampy tany an-tany efitra izy,

      Ka namela azy ireo hanaram-po hisotro rano, toy ny hoe nisotro avy tamin’ny rano lalina.+

  • Salamo 105:41
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 41 Nataony nitresaka ny vatolampy, dia nikoriana ny rano,+

      Ka lasa toy ny renirano namakivaky ny tany efitra.+

  • 1 Korintianina 10:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Tiako ho fantatrareo, ry rahalahy, fa nandeha teo ambanin’ny rahona daholo ny razambentsika,+ ary namakivaky ny ranomasina izy rehetra.+

  • 1 Korintianina 10:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 sady nisotro zava-pisotro ara-panahy+ mitovy daholo. Fa nisotro tamin’ilay vatolampy ara-panahy nanaraka azy izy ireo, ary i Kristy* izany vatolampy izany.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara