-
Hebreo 12:18-21Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
18 Ianareo mantsy tsy nanatona tendrombohitra azo tsapain-tanana+ sady nirehitra,+ na rahona mainty, na haizina mikitroka, na tafio-drivotra mahery,+ 19 na feon’ny trompetra+ notsofina mafy be, na feo niteny tamin’ny vahoaka.+ Rehefa naheno an’izany feo izany ny vahoaka, dia nitalaho mba tsy hisy zavatra holazaina aminy intsony.+ 20 Fa tsy zakan’izy ireo ilay didy hoe: “Na biby aza no mikasika an’ilay tendrombohitra, dia tsy maintsy hotoraham-bato.”+ 21 Nampahatahotra loatra koa ilay zava-niseho tamin’izany, ka hoy i Mosesy: “Matahotra sy mangovitra aho!”+
-