-
Eksodosy 40:24Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
24 Ny fitoeran-jiro+ dia napetrany tao amin’ny tranolay fihaonana, tandrifin’ny latabatra, teo amin’ny lafiny atsimo amin’ilay tranolay masina.
-
-
1 Mpanjaka 7:48, 49Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
48 Nataon’i Solomona ny fitaovana rehetra ho an’ny tranon’i Jehovah: Ny alitara+ volamena; ny latabatra+ volamena fametrahana ny mofo aseho; 49 ny fitoeran-jiro+ volamena tsy misy fangarony, dimy teo ankavanana ary dimy teo ankavia, teo anoloan’ny efitra anatiny indrindra; ny felam-boninkazo tamin’ny fitoeran-jiro,+ ny jiro, ny fitazonana lahin-jiro,* izay samy volamena;+
-