FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 38:1-7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 38 Nanao ny alitara fanaovana fanatitra dorana tamin’ny hazo akasia izy. Efamira ilay izy, ka dimy hakiho* ny lavany, dimy hakiho ny sakany, ary telo hakiho ny haavony.+ 2 Ary nasiany tandroka ny zorony efatra. Hazo iray tsy notapatapahina no nanaovany an’ilay alitara sy ireo tandrony. Dia nopetahany takela-barahina ilay alitara.+ 3 Avy eo dia nataony ny fitaovana rehetra ho an’ny alitara: Ny siny, ny lapelina, ny vilia baolina, ny fitrebika, ary ny fitondrana afo. Nataony varahina daholo ireo. 4 Nanao makarakara varahina miendrika harato ho an’ilay alitara koa izy. Ary nataony teo ambanin’ny molotry ny alitara, teny ambany teo amin’ny fisasahany, ilay izy. 5 Nanao tahony boribory efatra izy, ka napetany teo amin’ny zorony efatra teo akaikin’ilay makarakara varahina izany, mba hitsofohan’ireo bao hitondrana an’ilay alitara. 6 Nanao an’ireo bao tamin’ny hazo akasia izy avy eo, ary nopetahany takela-barahina izany. 7 Natsofony tao amin’ireo tahony boribory teo amin’ny lafiny roa tamin’ny alitara ireo bao, mba hitondrana an’ilay alitara. Nataony toy ny vata poakaty ilay alitara, ka hazo fisaka no nanaovany azy.

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara