FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 27:1-8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 27 “Manaova alitara amin’ny hazo akasia,+ ka ho dimy hakiho* ny lavany ary dimy hakiho ny sakany. Tokony ho efamira ilay izy, ary telo hakiho ny haavony.+ 2 Asio tandroka+ ny zorony efatra, ka tokony ho hazo iray tsy tapatapahina no hanaovanao an’ilay alitara sy ireo tandrony. Dia petaho takela-barahina ilay alitara.+ 3 Ary manamboara fitaovana ho an’ny alitara: Siny fasiana lavenona,* lapelina, vilia baolina, fitrebika,* ary fitondrana afo. Varahina no hanaovana an’ireo rehetra ireo.+ 4 Manaova makarakara varahina miendrika harato ho an’ilay alitara, sy tahony boribory varahina efatra hatao eo amin’ny zorony efatra. 5 Ataovy eo ambany molotry ny alitara ilay makarakara, izany hoe eo amin’ny fisasahan’ilay alitara. 6 Manaova koa bao filanjana amin’ny hazo akasia ka petaho takela-barahina. 7 Ary atsofohy eo amin’ny tahony boribory ireo bao, mba ho eo amin’ny andaniny roa amin’ny alitara izy ireo rehefa lanjaina izy io.+ 8 Ataovy toy ny vata poakaty ilay alitara, ka hazo fisaka no hanaovanao azy. Hoatran’ilay nasehony anao tatỳ an-tendrombohitra mihitsy no hanaovanao an’ilay izy.+

  • Eksodosy 40:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Hosory koa ny alitara fanaovana fanatitra dorana sy ny fitaovana rehetra miaraka aminy, ka hamasino ny alitara mba ho tena masina.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara