FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 39:22-26
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 22 Nanamboatra an’ilay akanjo tsy misy tanany hatao ambanin’ny efoda izy avy eo. Notenomina ilay izy, ary kofehy manga no nanaovana azy manontolo.+ 23 Teo afovoan’ilay akanjo tsy misy tanany no nisy lavaka hitsofohan’ny loha, hoatran’ny amin’ny akanjo mifono vy. Nasiana sisiny manodidina ilay fitsofohan’ny loha mba tsy ho mora rovitra. 24 Avy eo dia nasian’izy ireo ampongabendanitra ny morontongotr’ilay akanjo tsy misy tanany. Kofehy manga sy volonondry volomparasy ary kofehy mena midorehitra niara-naolanolana no nanaovana an’ireo ampongabendanitra. 25 Ary nanao lakolosy kely tamin’ny volamena tsy misy fangarony izy ireo, ka nataony teny anelanelan’ireo ampongabendanitra. Nasiany daholo ny morontongotr’ilay akanjo tsy misy tanany, teny anelanelan’ireo ampongabendanitra. 26 Noelanelaniny lakolosy ny ampongabendanitra. Ary nataony hoatr’izany daholo ny morontongotr’ilay akanjo tsy misy tanany, izay nampiasaina tamin’ny fanompoana, araka ny didy nomen’i Jehovah an’i Mosesy.

  • Levitikosy 8:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 Ary nampanaoviny an’i Arona ny akanjo lava,+ sy ny fehikibo lamba,+ sy ny akanjo ivelany tsy misy tanany,+ ary ny efoda.+ Dia nofatorany ny fehikibo vita tenona, izany hoe ny fehikibon’ilay efoda,+ mba hipetraka tsara ilay efoda.

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara