-
Levitikosy 8:25-28Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
25 Dia nalainy ny tavin’ilay ondry, izany hoe ny rambony matavy,* ny taviny rehetra teo amin’ny tsinainy, ny jabora teo amin’ny atiny, ny voa roa sy ny tavin’ireo, ary ny feny ankavanana.+ 26 Ary naka mofo tao amin’ny harona fasiana mofo tsy misy lalivay teo anatrehan’i Jehovah izy, dia mofo boribory iray tsy misy lalivay,+ sy mofo boribory iray misy menaka,+ ary mofo fisaka iray. Dia napetrany teo ambonin’ny tavin’ilay ondry sy ilay feny ankavanana ireo. 27 Avy eo dia napetrany teo amin’ny felatanan’i Arona sy ny zanany lahy ireo rehetra ireo, ka nahetsiketsiny ho fanatitra ahetsiketsika teo anatrehan’i Jehovah. 28 Dia nalain’i Mosesy teny an-tanan’izy ireo izany ka nodorany teo ambony alitara, teo ambonin’ny fanatitra dorana, mba hidona-tsetroka. Sorona atao mba hanendrena mpisorona* izany, ho hanitra mahafinaritra.* Fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah izany.
-