-
Nomery 28:4-6Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
4 Hatolotrao amin’ny maraina ny ondrilahy kely iray, fa ny iray kosa amin’ny takariva.*+ 5 Ny ondrilahy tsirairay dia hampiarahina amin’ny fanatitra varimbazaha, izany hoe lafarinina tsara toto ampahafolon’ny efaha,* afangaro menaka ampahefatry ny hina* avy amin’ny oliva voatoto.+ 6 Fanatitra dorana atolotra tsy tapaka izany,+ araka ny didy nomena teo amin’ny Tendrombohitra Sinay, mba ho hanitra mahafinaritra,* ho fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah.
-