FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 18:25, 26
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 25 Nifidy lehilahy mahay teo amin’ny Israely rehetra i Mosesy, ka nanendry azy ireo ho lohandohany teo amin’ny vahoaka, dia lehiben’ny arivo, lehiben’ny zato, lehiben’ny dimampolo, ary lehiben’ny folo. 26 Koa izy ireo no nitsara ny vahoaka, rehefa nisy raharaha tsy nampifanaraka azy ireo. Nentiny tany amin’i Mosesy ny raharaha sarotra,+ fa ny raharaha tsotsotra rehetra kosa notsarainy ihany.

  • Nomery 27:1-5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 27 Ary nanatona an’i Mosesy ny zanakavavin’i Zelofada,+ zanakalahin’i Hefera, zanak’i Gileada, zanak’i Makira, zanak’i Manase, avy tamin’ny fianakaviamben’i Manase zanak’i Josefa. Ireto avy ny anaran’ireo zanany vavy ireo: Mahala, Noa, Hogla, Milka, ary Tirza. 2 Dia nijoro teo anatrehan’i Mosesy sy Eleazara mpisorona sy ny mpiadidy+ ary ny vahoaka manontolo izy ireo, teo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana, ka niteny hoe: 3 “Maty tany an-tany efitra ny rainay, nefa izy tsy anisan’ireo olona nanohitra an’i Jehovah niaraka tamin’ny mpanohana an’i Kora.+ Maty noho ny fahotany ihany izy, ary tsy mba nanan-janakalahy. 4 Dia ny anaran’ny rainay ve dia hofoanana tsy ho eo amin’ny fianakaviany, satria hoe tsy nanan-janakalahy izy? Mba omeo lova koa izahay, hoatran’ny rahalahin-drainay.” 5 Dia nentin’i Mosesy teo anatrehan’i Jehovah ilay raharaha.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara