-
Levitikosy 6:4, 5Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
4 Raha nanota izy ka meloka, dia haveriny ilay zavatra nangalariny, na nalainy an-keriny, na nalainy tamin’ny fanambakana, na nampiandraiketina azy, na ilay zavatra very ka hitany, 5 na izay zavatra nianianany lainga. Honerany manontolo izany,+ sady mbola hampiany ampahadimin’ny vidiny. Homeny an’ilay tompony izany amin’ny andro ahitana fa meloka izy.
-
-
Levitikosy 22:14Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
14 “‘Raha misy olona nihinana tsy nahy tamin’ny zava-masina, dia tsy maintsy honerany izany sady hampiany ampahadiminy. Ary homeny ny mpisorona izany fanatitra masina izany.+
-
-
Nomery 5:6, 7Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
6 “Teneno ny Israelita hoe: ‘Raha misy lehilahy na vehivavy manota, na inona na inona fahotany, ary mivadika amin’i Jehovah izy, dia ho meloka.+ 7 Tsy maintsy miaiky+ ny fahotany izy,* ary hanome onitra ka honerany manontolo izay nalainy tamin’ilay olona nanaovany fahadisoana, sady mbola hampiany ampahadiminy.+ Dia homeny an’ilay olona izany.
-