-
Eksodosy 29:16-18Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
16 Dia vonoy ilay ondry, ka alaivo ny rany ary afafazo eo amin’ny lafiny rehetra amin’ilay alitara.+ 17 Teteho ilay ondry ary sasao ny tsinainy+ sy ny tongony. Dia alaharo tsara miaraka amin’ny lohany ireo tapany efa voatetika. 18 Dory ilay ondry manontolo mba hidona-tsetroka eo ambony alitara. Fanatitra dorana ho an’i Jehovah izany, mba ho hanitra mahafinaritra* azy.+ Fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah izany.
-
-
Levitikosy 8:18-21Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
18 Ary nampanatoniny ny ondrilahy atao fanatitra dorana. Dia nametraka ny tanany teo amin’ny lohan’ilay ondrilahy i Arona sy ny zanany lahy.+ 19 Novonoin’i Mosesy avy eo ilay ondry, ary nafafiny teo amin’ny lafiny rehetra tamin’ny alitara ny ran’ilay izy. 20 Notetitetehiny ilay ondrilahy, ka nodorany mba hidona-tsetroka ny lohany sy ny vatany efa voatetitetika ary ny jaborany.* 21 Ary nosasany tamin’ny rano ny tsinain’ilay ondry sy ny ranjony. Dia nodoran’i Mosesy teo ambony alitara ilay ondrilahy manontolo mba hidona-tsetroka. Fanatitra dorana izany mba hamoaka hanitra mahafinaritra.* Fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah izany, araka ny didy nomen’i Jehovah an’i Mosesy.
-
-
Levitikosy 9:12-14Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
12 Dia novonoin’i Arona ny fanatitra dorana. Ary nomen’ireo zanany lahy azy ny ra, ka nafafiny teo amin’ny lafiny rehetra amin’ny alitara.+ 13 Nomen’izy ireo azy koa ny fanatitra dorana efa voatetitetika sy ny lohany, ka nodorany teo ambony alitara mba hidona-tsetroka. 14 Ary nosasany ny tsinain’ilay fanatitra sy ny tongony ka nodorany teo ambonin’ilay fanatitra dorana, mba hidona-tsetroka teo ambony alitara.
-