-
Eksodosy 29:26, 27Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
26 “Alaivo avy eo ny tratran’ilay ondrilahy, izay atao sorona rehefa hanendry an’i Arona ho mpisorona.+ Dia ahetsiketseho ho fanatitra ahetsiketsika eo anatrehan’i Jehovah ilay izy, ary iny no ho anjaranao. 27 Hamasino ny tratrany atao fanatitra ahetsiketsika sy ny feny atao anjara masina, izay nahetsiketsika sy nalaina avy tamin’ilay ondrilahy natao sorona rehefa notendrena ho mpisorona i Arona sy ny zanany lahy.+
-
-
Levitikosy 7:34, 35Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
34 Fa alaiko avy amin’ny sorona iombonana aterin’ny Israelita ny tratra izay atao fanatitra ahetsiketsika sy ny fe izay atao anjara masina, ka homeko an’i Arona mpisorona sy ny zanany lahy. Fitsipika tokony harahin’ny Israelita foana izany.+
35 “‘Izany no ampahany avy amin’ny fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah izay natokana ho an’ny mpisorona, dia i Arona sy ny zanany lahy, tamin’ilay andro nanaovana azy ireo ho mpisorona teo anatrehan’i Jehovah.+
-